<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>367</hymn_number>
<title>Ry zanako mania! FFPM367</title>
<lyrics>[V1]
 Ry zanako mania !
 Henoinao izao :
 Izaho be fitia
 Mangora-po anao ;
 Ry zanako ! modia,
 Sao maty hianao,
 Fa be ny bibidia ;
 Modia re !

[V2]
 Ny zavatry ny tany
 Sao mahasimba anao,
 Harena mety lany
 Tsy mahavonjy anao ;
 Izaho irery ihany
 No hiadananao ;
 Ka mbola manontany :
 Tsy hody va ?

[V3]
 Mamiratra jerena
 Ny lalan-tsitrapo
 Fa akoso-bolamena
 Mamitaka ny fo ;
 Ny sitrapon'ny tena
 Mamery ny ainao,
 Ario ka miverena,
 Modia re !

[V4]
 Izaho Tompon'aina,
 Nijaly ho anao,
 Ka he, manolotra aina
 Mba hamonjena anao ;
 Ny rako mitaraina,
 Modia hianao ;
 Ka aza mba malaina,
 Modia re !</lyrics>
<author>I.D. Sankey</author>
</song>